Kristy fiainantsika

Sahia manafaka olona hiala amin'ny fanjakan'ny aizina


Sahia manafaka olona hiala amin'ny fanjakan'ny aizina
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Sahia manafaka olona hiala amin'ny fanjakan'ny aizina

"koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, ..."

Mba hahatonga ny firenena rehetra hanaiky an'i Jesoa dia nirahiny ny mpianatra handeha manerana izao tontolo izao, hatrany amin'ny faran'ny tany hampihavana ny olona amin' Andriamanitra. Nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ve ianao? Marina tokoa ve fa voavela ny helokao ary azonao ny famonjena? Raha izany tokoa dia nizara ny fahefany hitondra fahazavana eo amin'ny fiaraha-monina ivezivezenao ianao. Tsy olonolom-poana ianao fa manana antom-pisiana sy tanjona kendrena. Mety tsy mpitondra fivavahana, tsy mpiandry, tsy diakona ianao fa olona nandray famonjena dia tsy maintsy mizara izany maimaim-poana.

Vavaka:

Misaotra fa namonjy ahy Ianao, ampianaro hizara izany isan'andro aho. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 14 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

14 juin 2026

80 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro