Kristy fiainantsika

Sakafo madio ihany no mahavelona, fo madio ihany no mahita an'Andriamanitra


Sakafo madio ihany no mahavelona, fo madio ihany no mahita an'Andriamanitra
Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra

Sakafo madio ihany no mahavelona, fo madio ihany no mahita an'Andriamanitra

""Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao""

Isika aza tsy misakafo amin'ny tanana maloto sy fitaovam-pihinana tsy misasa. Izay te harary sy te ho faty no mampifangaro ny sakafony amin'ny loto.

Mampanatrika ny fonao Aminy ve ianao? Mananty tanana Aminy ve ianao? Diovy ny fo sy ny tanana, ario lavitra aminao ny fahotana, aza avela hitoetra ao an-tranonao. Tsy fohy ny tanany fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare. Sakafo madio ihany no mahavelona, fo madio ihany no mahita an'Andriamanitra ary mahasambatra.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

9 décembre 2025

12 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro