Kristy fiainantsika

Samy te ho lohany! ady seza


Samy te ho lohany! ady seza
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Samy te ho lohany! ady seza

"Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy"

Inona koa no tokony hahatezitra azy folo lahy tamin'ny resaka manokana nataon'izy telo mianaka tamin'i Jesoa? Inona koa no hidirany amin'izay tsimbaratelon'olona manokana?

Raha sanatria neken'i Jesoa ny hipetrahan'izy roalahy eo an-kavanana sy eo an-kavian'i Jesoa eo amin'ny fanjakany dia inoana fa raikitra ny gidragidra. Hay samy mitovy ihany ny miafina tao am-pon'izy 12 lahy saingy Jakoba sy Jaona no sahy nagataka. Samy te ho lohany, te ho ambony, te ho lehibe. Izany foana no mahatonga io ady seza eo amin'ny mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana sasany.

Vavaka:

Sitrano ny aretin'ny fitiavam-boninahitra, fitaivan-tena ny malagasy. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 11 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 juin 2026

101 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro