Samy tsara daholo, fa inona no tsara kokoa?

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Samy tsara daholo, fa inona no tsara kokoa?
"Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?"
Samy ilaina avokoa na ny famelan-keloka na ny fanasitranana; fa inona no mavesa-danja kokoa? Raha sitrana ny vatanao dia tsy harary intsony ve ary tsy ho faty? Tsia! Fa raha voavela heloka kosa dia sambatra, mihavana amin' Andriamanitra ankehitriny ary mitohy any amin'ny fiainana mandrakizay.
Katsaho aloha ary izay hihavanana amiln' Andriamanitra sy hiainana amin'ny teny fahamarinany dia ho azo antoka ny ankehitriny sy ny mandrakizay.
Vavaka:
Omeo anay mandrakariva ny hikatsaka izay hahatsara ny fihavananay Aminao. Amen
Mombamomba
6 mai 2026
50 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman