Kristy fiainantsika

Sao ity no toriteny fara-fanasana anao!


Sao ity no toriteny fara-fanasana anao!
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Sao ity no toriteny fara-fanasana anao!

""Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin’ny toe-dratsy?""

Raha misy fanalavam-potoana amin'ny ady baolina kitra, inona no ataon'ny mpifanandrina ao anatin'ny fotoana voafetra? Miady mafy mba handresena! "Ny famindrapon' i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika ..." Fitomaniana 3:22a. Araraoty ny fotoana azo ibebahana. Asio setriny ny antson'ny Tompo ataony amin'ny fomba samihafa. Miadia mafy amin'ny torimasom-panahy. Tahaka ny ao anaty trano mirehitra ny mpanararaotra ny famidrampon' Andriamanitra, tsy mahalala izay hahafaty azy. "Izao dia izao dia mandosira!"

🤲 Vavaka:


Aza avela hangataka andro ny amin'ny fibebahana tsy maintsy ataonay izahay

📷Sary

Lakolosin'ny fiangonana any Betamotamo, ampitan'i Menagisa, Mahanoro 2022


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 mars 2026

20 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro