Kristy fiainantsika

Sao mpaminany sandoka fa tsy iraky ny Tompo?


Sao mpaminany sandoka fa tsy iraky ny Tompo?
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Sao mpaminany sandoka fa tsy iraky ny Tompo?

"Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka"

Mahafaly antsika tokoa raha milaza soa antsika ny olona rehetra! Kanefa mahafaly ny olona rehetra ve ny fijoroantsika tsara amin'ny fanatanterahantsika izay anirahan'ny Tompo antsika? Tsia! Mifanohitra amin'ny fomba amam-panaony ny sitrapon' Andriamanitra ambarantsika sy iainantsika. Inona no vokatr'izany? Halan'ny olona sy enjehiny ary haratsiany isika noho ny anaran'i Jesoa. Inona no atao? Ny sitrapon' Andriamanitra sa ny sitrapon'ny olona? Lozan'izay te ho mamim-bahoaka fa tahaka ny mpaminany sandoka izy!

Vavaka: Mba izay mahafaly Anao Jesoa no katsahanay isan'andro. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 5 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

5 juillet 2026

141 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro