Sarobidy ny famonjena noraisintsika, ary te hanaisotra izany ny devoly

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Sarobidy ny famonjena noraisintsika, ary te hanaisotra izany ny devoly
"Hoy Jesoa : "Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; ...""
Sarobidy ny famonjena noraisintsika. Miezaka hanaisotra izany eo am-pelatanantsika ny devoly. Ny fahavalo tsy miseho ho fahavalo mihitsy fa mitonona ho namana mamonjy. Koa amin'izao andro mahory izao, ny mpaminany sandoka dia nampilendalenda fitahiana, fanasitranana, fahombiazana ...
Tao anatin'ny hanohanana, ny devoly dia nampirantiranty sakafo tamin'i Jesoa rehefa nivavaka sy nifady hanina Izy. Mitandrema hoy Jesoa, ao amin'ny fotoana sy ny toe-javatra mahatery antsika no hanararaotan'ny devoly hamitahana antsika. "Tandremo ny fanao mihoatra noho izay tokony hotandremana" mangataha fahaiza-manavaka avy amin'ny Fanahy Masina.
Mombamomba
24 novembre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor