Sarotra ve ny miala amin'ny mahazatra ry olon' Andriamanitra?

Sarotra ve ny miala amin'ny mahazatra ry olon' Andriamanitra?
""Raha ny oloko ... hiala amin'ny ratsy fanaony...""
Mihanjahanja eo anatrehan' Andriamanitra ny ratsy fanaon'ny olony. Betsaka ny manamarin-tena, manafina ny fahotany amin'ny fanaovana asa fanompoana. Maro ny fahotana tsy miseho ivelany fa ao am-po toy ny fitsiriritana, otri-po, fankahalana, fialonana, fijangajangana ... araka ny fanambaran'i Jesoa hoe : "Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady." - Matio 5:28.
Misy sahy miteny hoe : "olo-marina, olom-banona aho", tsy maninona izany. Fa Isaia kosa rehefa nahita ny fahamasinan' Andriamanitra dia niaiky hoe : "Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka dia Jehovah Tompon'ny maro no hitan'ny masoko!"
🤲Vavaka:
Mba hahita Anao anie ny fiangonana olonao, dia hibebaka, sy hiala amin'ny fahaloton'ny fo sy saina, hiala ny fahaloton'ny maso, molotra, sofina ary tanana, dia hiala amin'ny ratsy fanaonay izahay
5 mars 2026
6 vues
10 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor