Kristy fiainantsika

Satana no nameno ny fon'ilay mpanohana ara-bola ny fiangonana


Satana no nameno ny fon'ilay mpanohana ara-bola ny fiangonana
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Satana no nameno ny fon'ilay mpanohana ara-bola ny fiangonana

"Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?"

Tsy ny mpanohana ara-bola ao amin'ny fiangonana rehetra akory no manao izany! Tandremo sao diso fijery! Ry zareo ihany! Enga anie ka ho vitsy ny mamarara amin'ny saonjo iray lohasaha. Maro no nanome vola be ho an'ny fiangonana tamin'izany, fa i Ananiasy sy Safira irery no nanao filazana tsy marina. Nolazainy fa ny vidin'ny tany rehetra no natolony , hay ny ampahany ihany. Nandainga! Satana no nanosika azy hanome vola ho an'ny fiangonana. Mampieritreritra!

Vavaka:

Ny fahafenoan'ny Fanahy Masina anie hanery ny fiangonana hanolotra ny tsara indrindra ho amin'ny asa fitoriana ny filazantsara. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

30 mai 2026

81 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro