Kristy fiainantsika

Sedrao aho Andriamanitra ô!


Sedrao aho Andriamanitra ô!
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Sedrao aho Andriamanitra ô!

""... Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro" "

Sahy manao izany vavaka izany ve ianao? Tsara ny fisedrana. Ny mpianatra dia sedraina amin'ny fanadinana. Ny mpanao fanatanjahantena dia tsapaina amin'ny fifaninanana. Ilaina ny fahafantarana hoe: mahay ve? Hatraiza ny hery sy ny tanjaka?

Na dia toa salama aza dia mila manao fizaham-pahasalamana mandrakariva sao misy aretina miafina.

Mihoatra noho izany ny fitiavana sy ny fivavahantsika amin'Andriamanitra. Sao dia voafitaky ny fonao ianao ka tia zavatra hafa na mahatoky mahatoky zavatra hafa no Izy. Mila fizahan-toetra mandrakariva ny fo sy ny eritreritrao. Rehefa nandà in-telo tsy mahalala an'i Jesoa i Petera nianiana fa tsy hivadika mihitsy dia nibebaka. Ianao koa aza tofoka amin'ny tenanao rehefa voasedra! Mibebaha tahaka an'i Petera.

🤲Vavaka:


Izahao toetra aho Andriamanitra ô, mba tsy hihevitena ho zavatra, hanaiky hahitsinao isan'andro.

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

15 mars 2026

9 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro