Solotenan' Andriamanitra mihaino sy mamaly ny fitarainana manodidina anao ianao

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Solotenan' Andriamanitra mihaino sy mamaly ny fitarainana manodidina anao ianao
""Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay""
Maro ny olona nampahatraina ara-nofo, ara-tsaina, ara-panahy.
Nampanan-karena ny Egyptiana ny fanandevozana ny Zanak'Israely; nampitaraina andro aman'alina ireto vahoakan' Andriamanitra ireto ny fampiasàna azy tahaka ny biby. Maneke ary ianao tahaka an'i Mosesy, solontenan' Andriamanitra manoloana ny fitarainana tonga eo anatrehany hitondra fanafahana. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy velona ao anatinao dia tanteraka izany.
🤲Vavaka :
Mivavaha mba haneken'ny kristiana tsirairay ho solontenan' Andriamanitra hampanjaka ny fahamarinana eo amin'ny sehatra misy azy
Mombamomba
13 février 2026
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor