Kristy fiainantsika

Tadiavo Jesoa, manan-teny hambara aminao Izy


Tadiavo Jesoa, manan-teny hambara aminao Izy
Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino

Tadiavo Jesoa, manan-teny hambara aminao Izy

""Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody""

Narary efa ho faty ny zanakalahin'ity tandapa ity ary nitalaho mafy tamin'i Jesoa izy ho any an-tranony hanasitrana azy. Hoy Jesoa taminy : "Andeha mody; velona ny zanakao". Tsy nankany an-trano Jesoa, tsy nametra-tanana fa teny fotsiny no nataony dia nino ilay tandapa ary sitrana tamin'iny ora iny ny zanany.

Tadiavo Jesoa, manan-teny hambara aminao Izy manoloana ny zava-misy eo amin'ny fiainanao, mihainoa Azy, vakio ny baiboly ary minoa.

Tsy hitan'ny masontsika Jesoa kanefa eo an-tokatranontsika sy miaraka amintsika isan'andro ary miteny manokana aminao.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

30 septembre 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro