Tahaka ny nandraisan'i Kristy anao, mifandraisa koa amin'ny hafa

Tahaka ny nandraisan'i Kristy anao, mifandraisa koa amin'ny hafa
""Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra""
Ny fitaovan-tserasera dia manamora ny finfandraisana amin'ny olona hatrany amin'ny lavitra indrindra, ny fifandraisan'ny olona mifanakaiky toy ny mpivady, ny ray aman-dreny sy zanaka, ny iray tam-po , dia toa mihasarotra. Iza no asain'ny tenin' Andriamanitra mifandray eto, ny olona efa nanaiky an'i Jesoa ho Tompo no nanoratana eto. Hoy ny Efesiana 2:14 "Fa Izy no fihavanantsika, Izay naha iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fanrafiana". Nampifanantona ny lavitra sy akaiky ny hazo fijaliana, nanala ny elanelan'ny fahasamihafana sy ny fifandrafiana Izy. Vita ny fampihavanana. Tahaka ny nandraisan'i Kristy anao, mifandraisa koa amin'ny hafa.
13 décembre 2025
12 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor