Kristy fiainantsika

Tandremo, mpandainga ikoizana ny devoly


Tandremo, mpandainga ikoizana ny devoly
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Tandremo, mpandainga ikoizana ny devoly

"Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;"

Misy tenin'i devoly voasoratra ato amin'ny baiboly. Tonga dia miharihary fa sady mpandainga no mpangalatra izy. An' Andriamanitra ny fanapahana rehetra fa tsy an'ny devoly. Fanapahana nangalariny no atolony izay miankohoka aminy.

Manàna fahaiza-manavaka sy mamantatra manoloana ny fampirantirantiana fahefana fa mamandrika sy mamitaka ny devoly. Izay noana fahefana eo amin'ny fitondram-panjakana sy fitondram-piangonana dia voajonony. Fahefana hanapotika no omeny anao.

Vavaka:

Ho mpizara famonjena tahaka Anao anie izahay fa tsy ho mpandainga tahaka ny devoly. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 15 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

15 juin 2026

86 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivadyhttps://www.bible.com/mg/bible/96/LUK.4.6.MG1865

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro