Kristy fiainantsika

Tandremo sao diso fangataka


Tandremo sao diso fangataka
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Tandremo sao diso fangataka

"Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao"

Mahafinaritra Jesoa! Efa fantany mialoha sahady ny fangatahana diso nomanin'izy telo mianaka ireto kanefa mbola nanontaniany hoe : "Inona no irinao?".

Hoy Jesoa : "Tsy fantatrareo izay angatahinareo ...". Tsy mbola afaka tao amin'ireto mpianatra ireto ny fironana te ho lohany, te ho lehibe, te ho ambony, ary izany no nanosika azy ireo hanao izao fangatahana izao. Ny hoan'ny tenany fa tsy ny hoan' Andriamanitra no nibaiko azy.

Vavaka:

Mba ho madio sy marina araka ny sitrapon' Andriamanitra anie ny toe-po manery ny maro hisisika ma ho mpitondra fanjakana. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 10 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

10 juin 2026

87 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro