Tandremo sao tara loatra

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Tandremo sao tara loatra
"... Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho"
Misy mandositra ny tenin' Andriamanitra. "Aza mitory tenin' Andriamanitra ho ahy ary aza mivavaka ho ahy izany". Matahotra izy sao mahita ny masony ka hahalala ny fony. Kanefa tsy maintsy hahita Azy ny maso rehetra, na dia izay nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Apokalipsy.1:7). Tsy aleo mibebaka izao ankehitriny izao dia mandray fanasitranana? Raha efa nibebaka ianao dia mba ilazao izany ny hafa ê! Misaotra!
Vavaka:
Aza avela ho afa-po izahay fa hivavaka sy hijoro vavolombelona isan'andro hitarika ny olonao hiala amin'ny ratsy fanaony dia ho sitrana ny taninay. Amen!
Mombamomba
4 mai 2026
32 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman