Kristy fiainantsika

Tantara mahafinaritra ao amin'ny asan'ny Apostoly


Tantara mahafinaritra ao amin'ny asan'ny Apostoly
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Tantara mahafinaritra ao amin'ny asan'ny Apostoly

"Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy ..."

Eto amin'ity tany feno fahantrana ity, taiza no nisy an'izany? Teo amin'ny fiangonana voalohany, taorian'ny Pentekosta. Nifankatia ny mpino ary niantraika tamin'ny fai-piainan'izy ireo izany. Nomen'ny mpandinika anarana hoe : "Asan'ny Fanahy Masina" ny bokin'ny Asan'ny Apostoly. Rehefa miasa ny Fanahy Masina dia misy ny fifampitsimbinana sy fifanohanana eo amin'ny samy mpino izay azo oharina amin'ny vatana iray ihany. Izany ve no zava-misy ao amin'ny fiangonana ankehitriny? Ao amintsika kristiana tokoa ve ny Fanahy Masina?

Vavaka:

Ianao Fanahy Masina niasa tamin'ny fiangonana voalohany anie mba hamerina indray ny tantara tsara fahiny dia ny fifankatiavana. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

29 mai 2026

84 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro