Kristy fiainantsika

Tantara mampalahelo ao amin'ny Asan'ny Apostoly


Tantara mampalahelo ao amin'ny Asan'ny Apostoly
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Tantara mampalahelo ao amin'ny Asan'ny Apostoly

"Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy."

Dia izany ve no fiafarany? Mpivady niray saina nanolotra vola ho an'ny fiangonana no niara-maty? Ohatry ny masiaka loatra ny Fanahy Masina!

Angaha nisy nanery azy hivarotra tany sy hanolotra vola ho an'ny fiangonana? Ny fireharehana sy filan-tsitraka aman'olona no navesa-danja tao anatiny, noheveriny fa azo andaingana Andriamanitra. Io Fanahy Masina tsy azo vazivaziana tamin'izany fotoana izany io ihany anie no Fanahy Masina ao am-pon'izay mino Azy ankehitriny e?

Vavaka:

Mba hihena anie ireo tantara mampalahelo maro ao amin'ny fiangonana ankehitriny noho ny asanao Fanahy Masina. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

31 mai 2026

64 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro