Te hanadio ireo loto miandrona ao amin'ny fontsika Andriamanitra

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Te hanadio ireo loto miandrona ao amin'ny fontsika Andriamanitra
""Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo Aho""
Fa maninona Andriamanitra no tsy mankasitraka ny fideràna Azy teto kanefa Izy ihany no mampirisika hoe : "Miderà Azy amin'ny valiha sy lokanga" - Salamo 150:3. Hoy ny Tompo ao amin'ny Isaia 1:13b "Tsy zakako ny fovriana masina haroharoam-paharatsiana". "Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan'ireo amiko" - Matio 15:8-9.
Tandremo ary sao sodokan'ny hatsaran'ny hira sy ny habetsaky ny fanatitra, ny fanamiana tsara tarehy sy ny trano fiangonana manara-penitra. Mety ho lasa zohy fieren'ny jiolahy tahaka ny tempoly tao Jerosalema izany. Ny fo iandronan'ny faharatsiana rehetra no tian'ny Tompo diovina voalohany ary hideràna Azy.
Mombamomba
21 octobre 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor