Te hatanjaka sy hitombo ara-panahy

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Te hatanjaka sy hitombo ara-panahy
""...dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy""
Joda sy Silasy no nampahery ny mpino tany Antiokia nandritra ny andro elaela tamin'ny teny maro.
Tahaka ny fikolokoloana ny vatana mba hatanjaka sy hosalama tsara ihany koa ny fikarakarana ny fifandraisantsika amin' Andriamanitra. "Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona", raha te hatanjaka sy hitombo ara-panahy dia tsy maintsy mazoto mihinana sakafom-panahy. Tsy mijanona amin'ny rononom-panahy fa miroso amin'ny vetin-kanina. Izany no nataon'i Joda sy Silasy tany Antiokia
Mombamomba
20 août 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor