Te hitari-dàlana anao ny Fanahy Masina, atongilano Aminy ny sofinao

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Te hitari-dàlana anao ny Fanahy Masina, atongilano Aminy ny sofinao
"'Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io'"
✨ Méditation
Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy. Te hitari-dalana anao ny Fanahy Masina. Atongilano Aminy ny sofinao. Manàna toe-po vonona hankato. Rehefa nasaina nanatona ilay kalesy Filipo dia nihazakazaka. Inona no hitany tao? Tandapa mangetaheta fampianarana.
Ianao koa, manàna fo madio vonona hankato, fa misy lalana sokafan'ny Tompo, misy hevitra iheverany anao, te hiteny aminao mandrakariva ny Fanahy Masina
Mombamomba
13 mai 2025
13 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor