Te ho afa-doza? Mialà amin'ny lalan-dratsy

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Te ho afa-doza? Mialà amin'ny lalan-dratsy
"Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany"
Mety miova ny olona, na izay heverin ho tena ratsy fanahy indrindra tahaka ny mponina tany Ninive aza. "Mitenana na hihaino izy na tsy hihaino" hoy ny Tompo. Fibebahana marina no hita eto satria noporofoiny tamin'ny fialany tamin'ny lalan-dratsiny izany. Maro ihany no milaza fa nibebaka kanefa "ny kibay an-kelika ihany". Afa-doza ve ity firenentsika misy kristiana maro an'isa ity? Maninona no vao maika mirongatra ny faharatsiana nefa mitombo isa ny malagasy mibebaka?
Vavaka:
Ny Fanahy Masina anie hitarika ny malagasy hibebaka marina. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 25 juin 2026
Mombamomba
25 juin 2026
81 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman