Tena miady amin'ny fanaon' izao tontolo izao sa manao sarin'ady?

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Tena miady amin'ny fanaon' izao tontolo izao sa manao sarin'ady?
""Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra?""
Raha marina fa mino an'i Jesoa ianao dia mitarika anao hiady ary hanohitra ny fanaon'izao tontolo izao izany finoana izany. Raha tsy miaina izany ady tsaran'ny finoana izany ianao dia mitovy amin'ny finoan'ny demonia ihany ny finoanao. "Ny demonia koa mba mino an'Andriamanitra dia mangovitra" - Jakoba.2:19b. Aza manaiky lembenana, miaramila tsaran'i Kristy ianao, manoatra noho ny mpandresy ianao amin'ny alalan'i Jesoa ao am-ponao.
🤲 Vavaka:
Ampaherezo ny zanakao rehetra ry Tompo mba handresy ny fanaon'izao tontolo izao amin'izao andro mahory izao. Amen
Mombamomba
13 avril 2026
25 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra