Tia anao Andriamanitra, tsy azo ampitahaina ny fitiavan'ny reniakoho ny zanany

Tia anao Andriamanitra, tsy azo ampitahaina ny fitiavan'ny reniakoho ny zanany
""... ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany""
Hoy Jesoa : "... impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!" - Matio 23:37b. Ny akoho heverintsika ho kely loha kanefa be fitiavana ny zanany no nataon'i Jesoa ohatra handreseny lahatra anao fa mandray an-tanana ny fiainanao Izy. Vao miantso indray mandeha ny zanany fotsiny ny reniakoho dia mihazakazaka ho ao ambany elany ny akohokely, ny Tompo kosa maneho ny alahelony hoe : "Impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao ... fa tsy nety hianareo".
Ahoana moa moa no hahazoany mandray an-tanana ny fiainan'ny olona tsy mety manatona Azy? Ny zanak' Andriamanitra sy asan'ny tanany dia tahaka ny zanak'akoho mihazakazaka ho ao ambany elany rehefa antsoiny.
Miantso anao indray ny Tompo, te hitondra fanasitranana amin'ny fiainanao sy ny manodidina anao Izy. Fa tena zanany ary ve ianao?
🤲Vavaka :
Miv avaha mba ho hitantsika amin'ny zava-boahary ny fitiavan' Andriamanitra
10 janvier 2026
13 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor