Toerana sarobidy nivadika ho loharanon'ny faharatsiana

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Toerana sarobidy nivadika ho loharanon'ny faharatsiana
""Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana ...""
Tsy Andriamanitra ve no namorona ny fontsika? Ny fo manontolo moa tsy natao itiavana an' Andriamanitra? Koa maninona no mivadika ho loharanom-paharatsiana toy izao? Tafasaraka tamin' Andriamanitra isika satria nanota, tsy ny sitrapony no nataontsika fa izay tiantsika, nanjary niboiboika tsy manam-pahataperana, tsy hay tohaina avy ao am-po ny fahalotoana, hadalana, zava-dratsy tsy manam-pahataperana isan-karazany! Inona ny vahaolana? Mibebaha! Ampidiro sy ampanjakao ao am-ponao Jesoa. Hiboiboika ao am-ponao ny fahatsarana.
🤲 Vavaka:
Ireo kristiana niova fo anie mba ampaherezonao ho lasa loharanon'ny fahatsarana any amin'ny sehatra samihafa misy azy. Amen
Mombamomba
15 avril 2026
30 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman