Tohano amin'ny lafiny rehetra ny asa fitoriana filazantsara

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Tohano amin'ny lafiny rehetra ny asa fitoriana filazantsara
""Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany""
Nanao lay niaraka tamin'i Prisila sy Akoila Paoly hahazoany vola entiny manantanteraka ny asa fitoriana filazantsara. Dia hitantsika ny asa marobe sy ny fivezivezen'i Paoly tamin'ny fitoriana filzantsara. Tsy afaka mandeha lavitra manao tafika masina ianao fa ny volanao sy ny fitaovana eo am-pelatananao dia afaka mampandeha ny hafa hatrany amin'ny faran'ny tany. Mety tokoa ny nataon'i Paoly, sady nitady vola no nandeha nitory. Fa raha mba nisy olona nanohana azy ara-bola dia afaka nifantoka bebe kokoa ny nahavita bebe kokoa tamin'ny asa fitoriana filazantsara izy. An'ny Tompo avokoa anie ny fanananao ê!
Mombamomba
27 septembre 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor