Kristy fiainantsika

Tompon'ny filaminana Andriamanitra


Tompon'ny filaminana Andriamanitra
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Tompon'ny filaminana Andriamanitra

"Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe ..."

Tahaka ny ao amin'ny ankohonana ihany, asaina manaja sy mankato ny ray aman-dreny ny zanaka. Toy izany koa eo anivon'ny firenena, tokony hanaiky ny mpitondra isan-tokony ny vahoaka. Solotenan' Andriamanitra nampindraminy fahefana izy ireny. Ny fahefan' Andriamanitra no isalorany izay atao hoe fahefana lehibe.

Raha tsy misy ny fanekena ka samy hanao izay tiany atao dia adilahy sy korontana mandrakariva no miseho. Fanehoana fanekena an' Andriamanitra ny fanekena ny fahefana.

Vavaka:

Ny manam-pahefana anie hanaiky Anao, ary ny vahoaka malagasy hanaiky ny mpitondra fanjakana. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 18 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

18 juin 2026

92 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro