Kristy fiainantsika

Tompoy amin'izay nampiandraiketiny anao Andriamanitra


Tompoy amin'izay nampiandraiketiny anao Andriamanitra
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Tompoy amin'izay nampiandraiketiny anao Andriamanitra

"Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20)."

Nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ve ianao? Izy irery ihany no iankohofanao azy Izy irery ihany koa no hotompoinao? Ilainao ny vola aman-karena fa tsy ireny no mibaiko anao. Ilainao koa ny fahefana manomboka ao amin'ny ankohonanao, ny asanao, ny andraikitrao raha mpitondra fanjakana ianao, tsy natao hanompoana ny tenanao sy hangoronan-karena izany fa hanaovana ny sitrapon' Andriamanitra sy hanompoana ny hafa

Vavaka:

Ny fiainanay rehetra anie dia ho fanompoana anao avokoa. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 17 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

17 juin 2026

58 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro