Kristy fiainantsika

Tonga nofo aman-drà Jesoa, ary mahalala tsara izay manjo anao


Tonga nofo aman-drà Jesoa, ary mahalala tsara izay manjo anao
Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina

Tonga nofo aman-drà Jesoa, ary mahalala tsara izay manjo anao

""... dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. ... fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina," "

✨ Méditation

Tonga nofo aman-drà Jesoa, mahalala tsara izay manjo anao Izy mba hiainanao ny maha zanak' Andriamanitra anao eto amin'ity izao tontolo izao ity.

Tsy tahaka ireo olo-malaza deraina noho ny finoany hita amin'ny Baiboly Jesoa. Abrahama, Noa, Mosesy, Elia, Joba ... dia olombelona mpanota tahaka ahy sy ianao ihany.

Araka ny fanekem-pinoana, Jesoa dia : "notorotoroina tamin'ny Fanahy Masina ary naterak'i Maria virjiny". Sady tena Andriamanitra no tena olombleona. Mampihavana ny olombelona mpanota amin' Andriamanitra masina Izy. Hoy Izy : "tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." - Jaona 14:6 MG1865.

Hoy isika hoe: "Tsy hita fa olombelona nofo aman-drà e". Tonga nofo aman-drà Jesoa, mahalala tsara izay manjo anao Izy mba hiainanao ny maha zanak' Andriamanitra anao eto amin'ity izao tontolo izao ity.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

15 mai 2025

14 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro