Trano fiangonana ve hanaovana zava-dratsy?

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Trano fiangonana ve hanaovana zava-dratsy?
""Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9)""
Ritra aina Jesoa rehefa nandroaka ireo nivarotra sy nividy tao amin'ny Tempoly, nanao izany toerana masina izany ho zohy fieren'ny jiolahy.
Dia ritra aina teo amin'ny hazo fijaliana koa Izy mba handraisanao fanadiovana tamin'ny famelana ny helokao hahatonga anao ho tempolin'ny Fanahy Masina.
Tsy nitsitsy aina Jesoa, nanao vy very ny ainy hamonjena anao. Tahaka ny afo mirehitra ny fitiavany anao, tsy matimaty fa tena mahamay. Manao ahoana ary ny fahamasinan'ny tenanao izay atao hoe Tempolin'ny Fanahy Masina? Manao ahoana ny fitandrovana izany? Tsarovy, ritra aina Jesoa mba hanadiovana anao!
🤲 Vavaka:
Andriamanitra ô, ampahafantaro anay ny fahamasinan'ny tenanay izay nodiovina tamin'ny rà sarobidin'i Jesoa
Mombamomba
30 mars 2026
12 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor