Tsarovy ny tsara indrindra nataon' Andriamanitra ho anao fahiny mba hahalalanao fa tsara Izy ankehitriny

Tsarovy ny tsara indrindra nataon' Andriamanitra ho anao fahiny mba hahalalanao fa tsara Izy ankehitriny
""Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany""
Tsy mihevitra an' Andriamanitra nahary ny tsara indrindra isika hany ka tsy mahita afa tsy ny lafiratsin-javatra mandrakariva. Nimonomonona sy nifampitarika hiverin-dalana foana ny Zanak'Israely, tsy tsaroany ny nanavahan' Andriamanitra azy manoloana ny loza 10 nihatra tamin'ny Egyptiana; hadinony ny niampitany ny ranomasina mena tahaka ny mandia tany maina, toa jamba izy ireo tsy nahita ny andry afo sy andry rahoana nitarika azy andro aman'alina, ny mana isan'andro tsy nisasarany aza mahamonamonaina azy.
Na inona na inona hitanao sy renao amin'ity taona ity, ambarao amin'ny fanahinao ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin'ny vato fisaka fa tsy manao afatsy ny tsara indrindra ho anao Andriamanitra!
🤲 Vavaka :
Aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra. Misaora Azy!
13 janvier 2026
7 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor