Kristy fiainantsika

Tsy afa-misaraka amin'ny mpaniraka ny iraka


Tsy afa-misaraka amin'ny mpaniraka ny iraka
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Tsy afa-misaraka amin'ny mpaniraka ny iraka

"Hoy Jesoa : Izaho no voaloboka, ianareo no sampany, ..."

Voninahitra lehibe omen'i Jesoa antsika no niantsoany antsika hoe: "sampany". Ny sampana no mitondra vokatra. "Izay miray Amiko dia mamoa be izy" hoy Jesoa. Tsy afa-misaraka amin'ny voaloboka ny sampana, toy izany ianao raha tena irak'i Jesoa, tsy afa-misaraka Aminy. "Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo" - Isaia 59:2a, noho izany, mibebaha mandrakariva fa izay madio am-po no hahita an' Andriamanitra. Aza maika hanao na inona na inona, fa poak'aty sy misambo-drivotra fotsiny ary zava-poana izay ataontsika raha tafasaraka Aminy isika. Hazony mafy ny firaisana amin' Andriamanitra amin'ny firesahana Aminy sy fihainoana Azy. Dia ho fiainantsika isan'andro Kristy ary hahatanteraka izay iantsoany anao ianao. Mahereza!

Vavaka: Ho fiainanay isan'andro anie ianao Kristy, dia ho sampana mamoa be izahay! Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 6 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

6 juillet 2026

120 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro