Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah
""...Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro""
Sitrak' Andriamanitra ho tahaka ny jiro manazava eto amin'ity izao tontolo izao feno fahamaizinana ity ianao. Fanaovan-jiro volamena misy lahany fito sy fantsona fito ary fitoeran-diloilo. Na tena fanaovan-jiro volamena tokoa aza ilay fanaovan-jiro ka tsy misy diloilo dia tsy hirehitra mihitsy.
Ianao koa toy izany, ilaina ny fahaizana, hery, tanjaka, traikefa, vola fitaovana, namana, ..., raha tsy ny Fanahin' Andriamanitra no miasa ao anatinao dia tsy afaka hitondra fahazavana ianao. Ny diloilo dia hanambarana ny hosotry ny Fanahy Masina
Mombamomba
14 mai 2025
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor