Tsy fanavaozana amin'ny heviny diso akory izany!

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Tsy fanavaozana amin'ny heviny diso akory izany!
"Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo"
Izay rehetra nanaiky an'i Jesoa ho Tompo dia samy nandray izany fiovam-po izany avokoa. Toerana madio no handraisana ny Fanahy Masina. Ny fiheken-keloka sy ny fibebahana no mialoha ny fampandrosoana vahiny. Hampandroso olo-tiana ao anaty trano maloto ve ianao? Ho tamàna amin'izany ve izy? Ny mibebaka no anjaranao fa ny fanavaozana dia ataony. Nandritry ny 10 andro ireto mpino notarihin'ny Apostoly ireto no nandinin-tena sy nibebaka ary niomana. Fiainana isan'andro izany, atao madio tsara ny fo mba hahatamana ny Fanahy Masina.
Vavaka:
Jesoa ô! Esory ao anatinay ny fo vato, mba ho marina fa fanavaozana mahagaga no nataonao aminay. Amen
Mombamomba
23 mai 2026
74 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman