Kristy fiainantsika

Tsy irery akory ianao fa fantatr'i Jesoa Mpiandry Tsara


Tsy irery akory ianao fa fantatr'i Jesoa Mpiandry Tsara
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Tsy irery akory ianao fa fantatr'i Jesoa Mpiandry Tsara

""Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho""

Mahatsiaro tena ho irery ny olona maro ankehitriny. Tsy misy mpiahy, tsy misy mihevitra na mieritreritra ny momba azy! Dia toa tahaka ny zaza kamboty na zaza very avokoa, diso fanantenana mandrakariva, matahotra sy mangahiahy.

"Fantatro ny Ahy" hy Jesoa. Mihoatra noho ny fahalalanao ny tenanao ny fahafantarany anao! Manana hevitra izay heverana anao Izy. Fa mba mahalala Azy kosa ve ianao? Raiso ho Tompo sy Mpamonjy anao Izy. Mpiandry Tsara Izy. Ho tony mandrakariva ny fiainanao


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

29 juin 2025

4 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro