Kristy fiainantsika

Tsy izay rehetra manao amiko hoe : tompoko, tompoko!


Tsy izay rehetra manao amiko hoe : tompoko, tompoko!
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Tsy izay rehetra manao amiko hoe : tompoko, tompoko!

""raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ... ""

Namaly ny antson'ny Tompo marina ve ianao? Inona no nanosika sy nanesika anao ho tonga olon' Andriamanitra? Trotraky ny adin-tsaina dia mba nahatsiaro ny Tompo? Ary rehefa afaka ny adin-tsaina? Sao dia natosiky ny filan-tsitraka aman'olona sa mba manao ny fanaon'ny olona? Mahamenatra hono izany tsy mivavaka tahaka ny maro izany! Dia fandraisan'anjara no zava-dehibe ê! Sao dia tombontsoa, vola aman-karena ary voninahitra no manery dia mody mafana fo eo? Fanoloran-tena teren-ko masaka fotsiny ihany raha tsy tena ny antson'ny Tompo no nahatonga anao ho olon' Andriamanitra. Dia lasa kristiana sadasada, maramara, matsatso, matimaty, itenenana ratsy anaran' Andriamanitra, kristiana anarana fotsiny.

🤲Vavaka :

Mifona amin'ny Tompo isika noho ny fanoloran-tena natao tamin'ny fombafomba fotsiny tsy noteren'ny fitiavan'i Kristy.

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

2 mars 2026

10 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro