Tsy mahay mandainga Andriamanitra

Tsy mahay mandainga Andriamanitra
""... ary hahasitrana ny taniny (Aho)""
Amin'ny fifaliana tokoa no iarahabana anao nahatratra izao taona vaovao izao!
"Aza mirary soa ho ahy" hoy ity namako ity tamin'ny fiandohan'ny taona tamin'izany, "fa ozony aho! Teneno amiko avokoa izay zavatra faran'ny ratsy indrindra, amin'izay mba ny mifanohitra amin'izany no tanteraka amiko amin'ity taona ity. Mirary soa ho ahy mandrakariva ny olona isaky ny fiandohan'ny taona toy izao, zava-dratsy mifanohitra amin'izany foana no tanteraka. Ny zava-tsoa mifanohitra amin'ny fanozonana tononinao amiko no enga anie hifanesy amin'ny fiainako".
Manana zava-tsoa eo an-tanany tiany atolotra anao Andriamanitra amin'izao taona vaovao izao. Tsy teny poakatin'olombelona fa teny marin' Ilay Andriamanitra tsy mahay mandainga ny hoe : "... hanasitrana ny taniny Aho)"
🤲 Vavaka:
Misaora ny Tompo fa manatanteraka fanasitrana Izy amin'izao taona vaovao izao
1 janvier 2026
11 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor