Kristy fiainantsika

Tsy mamela anao handeha any amin'ny lalan'ny ratsy fanahy ny Fanahy Masina


Tsy mamela anao handeha any amin'ny lalan'ny ratsy fanahy ny Fanahy Masina
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Tsy mamela anao handeha any amin'ny lalan'ny ratsy fanahy ny Fanahy Masina

"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra"

Ahoana no ahalalana fa tarihin'ny Fanahy Masina ianao? Tsy manan-kery hitarika anao hanao ny fanaon'izao tontolo izao intsony ilay fironana maha olombelona mpanota nanandevo anao fahiny. Ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiaianana izao nankafizina fahiny dia tsy tianao intsony, maharikoriko. Tsy ianao no tsy tia izao tontolo izao fa ny Fanahy Masina efa ao anatinao. Masina Izy ka mankahala ny ratsy rehetra. Zanak' Andriamanitra ianao ka izay mahafaly ny Rainao ihany no mahafaly anao. Tsy manao izay mampalahelo ny Fanahy Masina ao anatinao ianao. Hamarino tsara! Iza na inona no mitarika anao?

Vavaka :

Masina ianao ry Fanahy, manamasina ny fiainanay isan'andro Ianao. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

8 mai 2026

52 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro