Tsy mba izaho izany !

Tsy mba izaho izany !
"Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa"
"Tsy mba izaho kosa izany, ratsy loatra kosa izany, tena mendrika ny afobe". Aza maika ny manamari-tena sao voafitaky ny fo. Kristiana ianao ? Fa sao dia kristiana osa? Kanosa? Sahy mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana ve ianao eto amin'ity tany feno fahalovana ity? Sahy mizara amin'ireo noana sy tsy manan-kitafy ary latsaka an-katerena ve ianao araka ny tenin'i Jesoa hoe: "noana Aho ... nangetaheta Aho ...". Sahy nanao tahaka ilay Samaritana tsara fanahy namonjy ilay azon'ny jiolahy ve ianao?
Hoy Izy : "Mandehana ka mba manaova toy izany koa". Raha tsy sahy ianao dia atao hoe: "Osa" dia ho aiza? Nefa "fanahy mahery" no nomena anao (2 Timoty 1:7).
Vavaka:
Jesoa ô, mba ho sahy hanao ny sitrapon'ny Ray tahaka anao anie izay rehetra nanaiky anao ho Tompo
19 mars 2026
15 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor