Kristy fiainantsika

Tsy miandry anao mangataka ny Tompo vao manome izay ilainao


Tsy miandry anao mangataka ny Tompo vao manome izay ilainao
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Tsy miandry anao mangataka ny Tompo vao manome izay ilainao

""... Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, ... Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy""

Mahafinaritra Jesoa. Tsy ny vahoaka no nangataka sakafo taminy teto fa Izy no nahalala fa tokony hisakafo izy ireo ary Izy ihany no nitady vahaolana.

Ny maro indrindra amin'izay ilaintsika sy mahasoa antsika isan'andro dia tsy nangatahintsika. Nomen' Andriamanitra antsika satria fantany fa ilaintsika. Izy aza mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny tsy marina.

🤲Vavaka :

Misaora an' Andriamanitra fa marobe tsy tambo isaina ny fitahiana tsy fantatsika nefa omeny isan'andro


📸 Sary : 

Fizarana koba ho an'ireo ankizy sahirana

Ankadikely Ilafy, krismasy 2024


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 février 2026

4 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro