Kristy fiainantsika

Tsy mikatsaka afatsy ny tsara indrindra ho anao Andriamanitra


Tsy mikatsaka afatsy ny tsara indrindra ho anao Andriamanitra
Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Tsy mikatsaka afatsy ny tsara indrindra ho anao Andriamanitra

""Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany""

Vaovao mahafaly mitondra fanantenana sy fanasitranana izany. Rehefa vitany ka nodinihiny avokoa ny zavatra rehetra hatramin'ny andro faha-enina namolavolany ny olombelona dia hitan' Andriamanitra fa tsara indrindra izany.

Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Izy. Raha "Tsara sady Mpanao ny tsara" Izy hatramin'ny voalohany, amin'ity andro ity ary amin'ny ho avy dia izany foana Izy. Aza mieritreri-dratsy ny amin' Andriamanitra.


🤲 Vavaka :

Mivavaha mba ho voaraintsika izay tsara indrindra tian' Andriamanitra omena antsika


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 janvier 2026

16 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro