Tsy miova ny sitrapon' Andriamanitra; dia ny hiainantsika miadana sy mandry fehizay

Tsy miova ny sitrapon' Andriamanitra; dia ny hiainantsika miadana sy mandry fehizay
""... mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy aaka an' Andriamanitra sy ny fahamaontinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason' Andriamanitra Mpamonjy antsika""
Hoy Jesoa : "fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina" - Matio 5:45. Sitrapon' Andriamanitra ve izany ny tsy fihinanan-kanina?
Raha tsy mahita vahaolana ny amin'ny zava-dratsy mitranga ankehitriny ianao, aza Andriamanitra no endrikendrehana. Aza miovaova saina ny amin'Andriamanitra tsy miova. Ahoana no inoana Azy? Hoy Jesoa : "Tongava aminao araka ny ninoana" - Matio 8:13.
Sitrapon' Andriamanitra ny hiainantsika amin'ny fiadanana sy fandriampahalemana amin'ny toetra sy fitondran-tena mifanaraka amin'ny sitrapony. Fa maninona izany no tsy tanteraka? hoy ianao. Andeha isika hanaraka ny lalan'ny fanasitranana ny olona sy ny ankohonana, ny fiangonana sy firenena isan'andro eto amin'ity pejy ity.
🤲 Vavaka :
Mivavaha ho an'ireo olona marobe mijaly, noana sy mitebiteby
21 janvier 2026
11 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor