Tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao
""Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao""
Nandresy ny finoan'i Asafa eto amin'ity farany ity Salamo 73 ity. Hitantsika teny am-piandohana ny fahadisoam-panantenana tao aminy. "Saika nibolasitra ny tongotro, saiky solafaka ny diako, satria nialona ny mpirehareha aho raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy" hoy izy. Dia nitanisa ny fanjakazakan'ny mpanao ratsy sy nitoloko nanambara ny fahoriany teo izy, tahaka ny olona mamoy fo. Soa ihany fa niditra tao an-tranon' Andriamanitra izy nihevitra izay ho farany.
Nahiratra ny masom-panahiny, hay ireto olona mirehareha ireto no solafaka sy lavo fa izy no tena sambatra ka nanao fanekem-pinoana hoe : "Iza no ahy any an-danitra, ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao?"
Mombamomba
3 décembre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor