Tsy misy mahafeno ny banga ao am-ponao afatsy Jesoa

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Tsy misy mahafeno ny banga ao am-ponao afatsy Jesoa
""... Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany""
Raha ankasitrahan' Andriamanitra ianao dia manam-piadanana. Izay tsy ananan' Andriamanitra alahelo, vita fihavanana Aminy dia miaina amin'ny fahatoniana. Rehefa banga ny toeran'i Jesoa ao am-ponao, na hivezivezy hitady zava-tsoa hamenoana izany aza ianao dia tsy ho afa-po. Marina indrindra ny hiran'ny anjely hoe : "Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany"
🤲Vavaka :
Mivavaha ho an'ireo sasa-poana mitady fiadanana sandoka any amin'izao tontolo izao
Mombamomba
6 février 2026
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor