Tsy misy na inona na inona mahasakana izay tena mino hanatona an'i Jesoa

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Tsy misy na inona na inona mahasakana izay tena mino hanatona an'i Jesoa
""Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko""
"Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy ... manankarena homeny izay rehetra miantso Azy Izy. Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" - Romana 10:11,12,13. Niantsoantso mafy an'i Jesoa ity lehilahy jamba ity, tsy azo nampinginina mihitsy. Tsy ny feony ihany no ren'i Jesoa fa ny finoana ao anatiny mihitsy. Tsy misy na inona na inona mahasakana izay tena mino hanatona an'i Jesoa. Tsy nahasakana azy ny olona sy ny olana. "Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy" - Romana 10:17
Mombamomba
8 septembre 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor