Tsy misy tahaka an' Andriamanitra Raintsika

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Tsy misy tahaka an' Andriamanitra Raintsika
""Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?""
Fahagagana tsy nisy toy izany! Nisokatra teo anoloan'ny Zanak'Israely ny ranomasina; tahaka ny fandehanana tamin'ny tany maina no niampitan'izy ireo izany. Mba nanandrana nandeha tamin'izany lalana mahagaga izany ny egyptiana kanjo maty tao anaty rano.
Tsy misy tahaka an' Andriamanitra Raintsika amin'ny alalan'i Jesoa. Tsy miova Izy. Raha tahaka ny Zanak'Israely niala tany Egypta ho any Kanana ianao dia manokatra lalana vaovao isan' andro eo anoloanao ny Tompo. Tsy misy tahaka Azy
Mombamomba
21 juin 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor