Tsy misy tsy vitan'ny vola sa tsy misy tsy vitan' Andriamanitra?

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Tsy misy tsy vitan'ny vola sa tsy misy tsy vitan' Andriamanitra?
""Hoy kosa i Amatsià tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Ka hatao ahoana ny amin’ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita? Dia novaliany hoe: –Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany""
"Very ny volabe-ko" hoy ny mpanjakan'i Joda Amazia. Volafotsy telo taonina efa voarain'ny miaramilan'ny Israely ho karama mba hanampiany azy hanafika. "Tsy mahazo miaraka aminao ny miaramilan'ny Israely" hoy ilay lehilahin' Andriamanitra. "Natao ahoana ny volabe efa lasa?"
Alahelo ny vola ho very no tsy hanaovana ny sitrapon' Andriamanitra. Tombony lehibe ho anao ny fankatoavana an' Andriamanitra. Azy ny fahefana rehetra. Tsy misy tsy vitan'ny vola sa tsy misy tsy vitan' Andriamanitra?
Aza malahelo "Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany".
Mombamomba
1 juin 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor