Tsy mpanompo fa sakaiza

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Tsy mpanompo fa sakaiza
""Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo""
Sitrak'i Jesoa hanana fifandraisana tsara sy lalina ary maharitra Aminy ianao. Tsy mpanompo fa sakaiza. Ny sakaizany dia amborahany izay ao am-pony ary anambaràny ny tsiambaratelony. Izay rehetra ren'i Jesoa tamin'ny Rainy dia ambarany aminao. Fitia mifamaly mahatsara fihavanana. Inona kosa no avalinao izany? "Raha tia Ahy ianareo dia mankato ny didiko" hoy Jesoa. Porofoy aminy kosa fa tia Azy ianao. Hoy Izy : "Moa tia Ahy va ianao?"
Mombamomba
18 octobre 2025
14 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor