Kristy fiainantsika

Tsy very maina ny vavaka ataonao


Tsy very maina ny vavaka ataonao
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Tsy very maina ny vavaka ataonao

""... samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany" "

Mampitombo ny finoantsika sy mampahery antsika hazoto hivavaka izao fanambaràna izao. Hay tsy very maina ny fikelezantsika aina mivavaka. Entina eo anatrehan'ny Tompo ao anaty lovia volamena tahaka ny ditin-kazo manitra ireny arahin'ny fiderana ravahan'ny lokanga volamena.

Minoa fa mihaino sady mamaly ny vavaka ataonao ny Tompo. Hoy ny fideràna nataon'i Paoly : "Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana ..." - Efesiana 3:20-21


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

28 juin 2025

12 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro