Kristy fiainantsika

Tsy voafetra ny fitiavan' Andriamanitra, eny tia izay tsy tia Azy Izy


Tsy voafetra ny fitiavan' Andriamanitra, eny tia izay tsy tia Azy Izy
Thème du mois : Olomboaantso ny mpino

Tsy voafetra ny fitiavan' Andriamanitra, eny tia izay tsy tia Azy Izy

""ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ...""

Mahagaga ny fitiavan' Andriamanitra, ny jentilisa firenena lavitra an' Andriamanitra tahaka ny Romana dia nantsoina hoe malalan' Andriamanitra, voaantso no masina. Hoy ny Romana 9:25 : "araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25);".

Tsy voafetra ny fitiavan' Andriamanitra, tia izao tontolo izao Izy, tia izay tsy tia Azy Izy; "... fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina." (Matio 5:45 MG1865)

"Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, ... fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" - Romana 5:6,8 MG1865


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

29 juillet 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro